Laharam-pahamehana ny fahadiovana sy ny fandaminana ny tsena
Nizara fanomezana ho an’ireo mpiasa sy ny solontenan’ny mponina avy ao amin’ny boriborintany faha-III eto Antananarivo Renivohitra
omaly ny delege Andriamamonjisoa Rado sy ireo mpiara-miasa aminy, noho ny fahatongavan’ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona izao. Ezaky ny Boriborintany faha-III madiodio, niampy tolotanana avy amin’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana no nahatontosana izany. Nambaran’ny delege fa vina amin’ny taona 2017 dia ny fampandrosoana ny boriborintany faha-III iadidiany ny hanaovana ho laharam-pahamehana ny fahadiovan’ny tanàna, ny fandaminana ny tsena, ary ny fampihenana ny fitohanan’ny fifamoivoizana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.