Actualités

Boriborintany faha-6 Hangatahin’ireo olom-boafidy ho lasa kaominina manokana


  • Alatsinainy 13 Oktobra 2014

Nilaza ny solombavambahoaka voafidy teny amin’ny boriborintany fahenina eny Ambohimanarina fa tokony hatao kaominina manokana ny eny an-toerana. Araka ny voalazan’izy ireo dia efa mahafeno ny fepetra ho amin’izany ny eny amin’izy ireo

Raha ny antontanisa mantsy dia efa mihoatra ny  175 000 ny mponina eny an-toerana izay  fetra tokony hahatongavana ho kaominina manokana. Misy ny sata mifehy ny tanànan’Antananarivo izay mbola mipetraka hatramin’izao ka indraindray dia sakana ho amin’ny fampandrosoana ihany izany. Ny  70 isan-jaton’ny mponina  eny Ambohimanarina  anefa dia mpamboly avokoa  izay tsy mitovy amin’ny fiveloman’ny mponina an-tanàn-dehibe hafa eto Antananarivo renivohitra, hoy hatrany izy ireo. Misy ny orinasa samihafa eny an-toerana saingy ny hetra azo avy amin’ireny dia tsy miverina eny amin’ny boriborintany misy azy ireo raha ny voalaza hatrany. Nomarihany fa dia mahatratra 7 lavitrisa isan-taona ihany koa ny hetra miditra eny amin’izy  ireo saingy zara raha misy ny fampandrosoana hita eny amin’ny tanàna. Mahakasika ny fitandroana ny filaminana sy ny loza mety hitranga dia nilaza ity solombavambahoaka ity fa efa misy ny sampana mpamonjy voina sy ny paositry ny polisy afaka miaro ny vahoaka sy ny fananany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT