Actualités

Boriborintany faha-5 Hahazo tombony amin’ny tetikasa Lalankely III


  • Zoma 26 Febroary 2016

Nijery ny zava-misy iainan’ny mponina andavanandro teny amin’ny boriborintany faha-5 indray omaly ny ekipan’ny tanŕnan’Antananarivo Renivohitra.

 

Fidinana ifotony niresahana sy nihainoana ireo hetaheta sy soso-kevitry ny olona manoloana ireo olana samihafa eny anivon’ny fiarahamonina. Tranga manahirana ny vahoaka ao amin’ny firaisana faha-5 ny lakandrano tsentsina, ny fako tsy voangona ara-potoana, ny lalankely simba na koa ny tanàna maizina. Efa manana ny fandaharanasa fampandrosoana ifotony ny eo anivon’ny kaominina foibe fa tsara kokoa raha mifanaraka tanteraka amin’ny filan’ny mponina ao aminy ny asa tanterahana. Hanomboka amin’ny volana mey 2016 izao ohatra ny programa lalankely andiany faha-3 ka ezahina ny hampiditra ny fanirian’ny mponina ao anatin’ny boriborintany faha-5. Fanambin’ny mpitantana ny CUA moa ny fampandrosoana sy ny fandaminana ny renivohitr’i Madagasikara, hoy ny talen’ny kabinetra Rakotoarivony Jean Pierre.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT