Actualités

Boriborintany faha-4 Hiroso amin’ny fanakatonana ireo tsena tsy ara-dalana


  • Sabotsy 04 Martsa 2017

Taorian’ny fidinana ifotony notanterahin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Boriborintany faha-efatra nanentana ireo mpivarotra anaty tsena lehibe mbola tsy manana karatra matihanina dia

fantatra fa hiroso amin’ny fanakatonana ny tsena amin’izay izy ireo manomboka amin’io herinandro ho avy io, raha araka ny fanazavan- Ramahandrimanana Solofoniaina Daniel delegen’ity Boriborintany iray ity. Mbola misy amin’ireo mpivarotra mantsy no tsy taitra akory hoy hatrany ity delege ity raha ny datin’ny 20 febroary lasa teo no fe-potoana nomena azy ireo tokony hanamboarana izany. Tsy lafo anefa ilay karatra raha araka ny fanazavany hatrany fa 15.000 Ar monja, ary afaka misitraka ny zo rehetra tokony ho azony ny mpivarotra iray no sady tompon’ny toerany tanteraka, tsy azo alana eo intsony. Ho an’ny tsenan’Anosibe manokana dia nomarihiny fa ny 100 %-n’ireo mpivarotra ao an-toerana no efa nahavita izany raha mifanohitra amin’izay kosa ny etsy Soamanatombo sy Namontana. Azo soloina avy hatrany noho izany hoy hatrany ity delege ity izay mpivarotra tsy manana io karatra ara-dalana io ary soloina izay mpivarotra vaovao vonona ny hiroso amin’ny ara-dalana ho fandaminana ny tanana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT