Actualités

Boriborintany faha-3 sy faha-5 Notoloran’ny Orange ivontoerana hahafahana mikirakira solosaina


  • Alakamisy 08 Desambra 2016

Taorian’ny Boriborintany fahefatra dia notoloran’ny orinasam-pifandraisana Orange Madagascar ivontoerana hahafahany mianatra maimaimpoana momba ny informatika ihany koa ireo vehivavy sy renim-pianakaviana ao amin’ny boriborintany fahatelo sy fahadimy.

Omaly no notokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa vokatry  ny ezaky ny Orange Solidarité sy ny fikambanana Ezaka Afhys, nampian’ny Jeune Chambre Internationale. Vehivavy sy renim-pianakaviana miisa 100 isaky ny  ivontoerana no hahazo tombontsoa, mianatra indray mandeha isan-kerinandro, haharitra 12 volana. Tanjona ny manohana sy manampy ny vehivavy amin’ny fikirakirana ny teknolojia avo lenta, eny fa na dia ho an’ny ankohonany fotsiny aza, hoy Raharimanantsoa Helenah, lehiben’ny maison digitale pour les femmes eto Antananarivo Renivohitra. Eo ihany koa ny fanampiana ireo manana tetikasa hanangana orinasa mifandraika amin’izany… Tonga nitokana teny an-toerana ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra Nepatraiky Rakotomamonjy, Ramatoa Brigitte Audy, sekretera jeneralin’ny fondation Orange…Natolotra omaly koa moa ilay vatsim-pianarana mitentina 5.000 Euros tao anatin’ilay hetsika coups de cœur ô féminin nokarakarain’ity orinasam-pifandraisana iray ity. Ramatoakely Aina Andrianomenjanahary no nahazo izany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT