Actualités

BONSAI Maharitra 700 taona ny antitra indrindra


  • Zoma 28 Novambra 2014

Karazan-kazo kely anaty pot nefa mahafatifaty ny bonsai. Azo atao haingon-trano ao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny izy nefa azo hatao eny an-jaridaina, any amin’ny birao…

ihany koa. Fotoana fividianan’ny mpanjifa azy ny vanim-potoana tahaka izao. Miisa 160 indray izy ireny no haranty etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely nanomboka omaly ka 70.000 Ar no vidin’ny farany ambany. Maharitra 700 taona ny antintra indrindra. “Voary kanto” no lohahevitra nampitondraina ny hetsika, hiarahana amin-dRakotomanga Bruno fantatry ny maro amin’ny anarana hoe : Bruno bonsai. Tanjona amin’ny hetsika ny hampahafantarana ireo karazana bonsai misy  eto amintsika izay tsy mena-mitaha amin’ny any ivelany, hoy ny mpikarakara,  raha eo ihany koa ny hanampiana ireo olona mitady fanomezana amin’izao ankatoky ny fetin’ny noely sy ny faran’ny taona izao. Anisan’ny mampiavaka an’i Bruno bonsai moa ny fanoroana hevitra ny olona amin’ny fikarakarana ny bonsai aorian’ny fividianana entana ao aminy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT