Nahoraka tamin’ny faramparan’ny tetezamita, taona 2013 iny ny nahitana mpiandry omby bolongam-batosoa “Quartz fumé” milanja 6 taonina tany amin’ny sisintanin’i Tsinjoarivo 22, faritra Bongolava iny. Nifandroritana be io vato io, ary ny niafarany dia nakarina tao Tsiroanomandidy ary napetraka tao amin’ny faritra Bongolava.
Re anefa izao fa dia nisy naka an-tsokosoko io bolongam-bato be mitovy amin’ny fiara 4L io. Andia-miaramila mirongo fiadiana no naka azy tao ny alarobia lasa teo vao mangiran-dratsy. Mifamahofaho be ihany ny resaka, ary izay rehetra nanontaniana dia tsy nanome valin-teny mazava. Ao ny milaza fa napetraka any amin’ny prezidansa ilay vato be, misy koa anefa ny loharanom-baovao milaza fa efa lafo 4 miliara (?) amina mpandraharaha sinoa io “Quartz fumé” io. Andrasana ny fanazavan’ny minisitera eo ambany fiahian’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny harena stratejika mikasika io harem-pirenena io sy ny fandehan’ny vola, raha toa ka efa lafo tokoa, hialana amin’ny ahiahy tsy ihavanana satria efa be loatra izay harem-pirenena manjavona fotsiny miala eto Madagasikara izay nefa ny vahoaka Malagasy miha mahantra andro aman’alina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.