Actualités

Boky ho an’ny mpianatra 20.000 Ar isaky ny ankizy raha kely indrindra


  • Alatsinainy 22 Aogositra 2016

V Boky ho an’ny mpianatra 20.000 Ar isaky ny ankizy raha kely indrindra

 Tafiditra ao anatin’ireny ny boky izay takian’ny sekoly mihitsy ny hananan’ny mpianatra tsirairay izany hahafahana mampitombo ny fahalalany. 20.000 Ar isaky ny ankizy anefa raha kely indrindra ny vola ilaina amin’izany. Voatery mitady hevitra ny ray aman-dreny ka ny fandehanany eny amin’ny mpivarotra boky tonta no hitany fa vahaolana. Ho an’ny toeram-pivarotam-boky etsy Ambohijatovo manokana dia fantatra fa tena hifanotofana tokoa izy ireo nanomboka ny herinandro teo. Sady manakalo boky mantsy izy ireo no mivarotra boky tonta ihany koa. Dimy isan’andro raha kely no tonga manatona ny mpivarotra iray, izay mbola mety hitombo hatrany, indrindra manomboka amin’ny herinandro ho avy io. Raha manakalo izay boky misy eo am-pelatanany  moa ny ray aman-dreny iray fantatra fa manodidina ny 5.000 Ar eo ho eo ny vola aloany. Antsasaky ny vidin’ny boky vaovao kosa ny vidin’ny boky tonta iray.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT