Actualités

Bokan-trosa


  • Zoma 02 Desambra 2016

Toy ilay zava-manahirana iray izay ny milaza azy ka ny avo ihany no tovonana, hoy ny fitenenana. 620.000 ariary latsaka kely na 200 dolara eo ho eo,


 io izany raha atao ny kajikajy tsotsotra no anjara trosan’ny malagasy isam-batan’olona ao anatin’ilay 3,7 miliara dolara mety ho azontsika amin’ireo mpamatsy vola aorian’ny fivorian’izy ireo any Parisy. Ny tsy mbola tafaverina tany aloha moa tsy lazaina intsony. Ao anatin’izany anefa raha mba te hamerina an’ireny trosa mamboka antsika ireny izao sy ianao dia tsy hita izay azo atao. Hany ka voagejan’ireo milaza azy ho mpamatsy kanefa mampibaby trosa an-kolaka ny firenena hatrany ny lalàna rehetra hahafahana mivoaka amin’ny fahantrana. Satrin’izy ireo isika ho mpangataka eny foana. Mampatsiahy ilay ohatra malazan-dry zareo Japoney hoe haranjono no tokony homena izay tiana handroso fa tsy trondro izy ity ary dia mampanongo tena ihany hoe nozarin’ny olona nomena trondro tao anatin’ny 50 taona mahery izany isika. Lasa raiki-tampisaka ny politikan’ny hataka ary mandrak’ankehitriny dia tsy manan-tsaina ny hanova izany akory ireo mpitondra fa ny trosa niavosa hatrany aloha no mbola indro ampiana koa.

Faralahimatoa

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT