Vita ny fanadihadiana lalina nataon’ny Cabinet Castalia Limited hoenti-mamantatra ny tena olan’ny orinasam-panjakana Jirama hahafaha-manarina azy io.
Manana olana goavana ara-bola ny Jirama ary mila vahaolana maika. Ny fampiakarana tsikelikely ny saran’ny herinaratra no isan’ny vahaolana, raha ny tatritr’io fanadihadiana io, ka nambara fa ireo orinasa lehibe no hanaovana izany izay tokony hakarina 10 hatramin’ny 13% eo. Nanomboka ny taona 2018 moa no nampanaovan’ny Banky Iraisam-pirenena fanadihadiana lalina hahafaha-mandrafitra tondrozotra hoenti-manarina ny JIRAMA. Ny saran’ny herinaratra miditra amin’ny kitapom-bolan’ny Jirama, dia zara raha ny antsasaky ny vola saran’ny fiodinany no voaefa amin’izany. Bokan-trosa hatramin’ny 1600 miliara ariary ny Jirama hatramin’ny volana jona teo, ka ho an’ny taona 2018 fotsiny dia 290 miliara ariary ny fatiantoka, na dia nisy aza ny tohana fanentsenam-bidy na “subvention” 315 miliara ariary nampidirina aza tao. Raha tsy misy ny fandraisana fanapahan-kevitra haingana dia hahatratra 1400miliara ariary any ho any ny fatiantoka hatramin’ny 2025. Raha ny tena zava-misy, dia ny vahoaka sy ny tontolon’ny indostria sy ny orinasa mila herinaratra hatrany no mizaka ny tsy eran’ny aina amin’io saran’ny herinaratra sokajiana ho isan’ny lafo indrindra aty Afrika io. Ny fanjakana no tena tsy mpandoa vidin-jiro, ary maro ny fandanilaniam-poana tsy mampidi-bola mila fehezina. Misy rahateo moa hatramin’izay ny fanetsenam-bidy na “subvention” avy any anaty kitapom-bolam-panjakana, ka misy vola mifampiditra mazava ho azy, dia samy vitavita ho azy eo.
Angovo azo havaozina no vahaolana…
Manodidina ny 15% amin’ny Malagasy no misitraka herinaratra hatreto. Raha ny fanadihadiana lalina nataon’ny “Eonomic Developpement Board of Madagascar” na ny EDBM ny taona 2016, dia saika ny 75,9% amin’ny famokarana angovo eto dia amin’ny alalan’ny milina mandeha amin’ny solika (Thermique), 24,0% amin’ny alalan’ny riandrano (Hydroéléctrique), ary 0,01% avy ny “Biomasse”, ny avy amin’ny masoandro na “Solaire”, ary ny avy amin’ny rivotra na “Eolien”. Tao anatin’ny NPE (Nouvelle Politique Energétique) ny taona 2015, dia fanamby ny hanatsimbadika izany ka ho 15% ny “thermique”, 5% ny avy amin’ny rivotra, 5% ny avy amin’ny rivotra, ary 75% ny avy amin’ny riandrano na ny “hydroélectrique” hatramin’ny 2030.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.