“Misy tsy mazava ! Tsy hita ny antontan-taratasin’ady mikasika ny raharaha anenjehana anay…”, hoy ireo mpiasan’ny orinasa Mictsl miisa 6 raha tonga niatrika ny fitsarana azy ireo izy ireo ny talata maraina teo, noho ny fitorian’ity orinasa ity azy ireo, fa nanodinkodina “andramena” iray kaontenera saika naondrana ny taona 2012, ary efa nidiran’izy ireo fonja vonjimaika enim-bolana. Vokatry ny tsy fahitana ny antontan-taratasin’ady (?),
dia nangataka fanemorana faha-5 ny fitsarana ny raharaha ny mpisolovava ny orinasa, izay izy ireo hatrany ny mangataka izany raha maika ny hahavita ny raharaha ny mpiasa toriana, ka ny 26 martsa izao indray no hanaovana izany raha tokony ho efa famoahana ny didy ny tamin’ny talata teo. Ho an’ny mpahay lalàna sy mpitsara mahay tsara ny raharaha, dia misy zavatra tsy mazava ao anatin’ity raharaha andramena nambara fa very tao amin’ny Mictsl ny taona 2012 ity. Voalohany, hoy izy ireo dia mazava ny voasoratra, izay solosaina “code” no namoaka azy, ao anatin’ny faktiora laharana 201050991, fa kaontenera 6 amin’ny 20’ no nampidirin’ny orinasa “transland” nisahana ny entana tao amin’ny seranan-tsambo, ka ilay kaontenera laharana MSKU 253862/5 ity voalaza nisy andramena very ity. Io faktiora io anefa no milaza mazava fa “traverse en bois d’eucalyptus” no tao anatiny, izay no nahatonga ny hetra naloan’ny “transland” nikirakira ny entana tsy nisy afa-tsy 3.263.002,35Ar monja tamin’ireo kaontenera 6 ireo. Faharoa, nahoana ireto mpiasa no henjehina fa nanodinkodina andramena nefa ireo mpanondrana sy ireo nikirakira ny entana tsy nenjehina ? Tafiditra amin’ny trafikana andramena anefa ny raharaha, araka ny didim-panjakana navoakan’ny fitondrana tetezamita ny taona 2010 mandrara ny fanondranana sy ny fitaterana ary fanapahana andramena, ary nisiana “komando” manokana nisahana ny fanaraha-maso sy ny fanadihadiana. Ho sarotra ny raharaha, ho hita eo indray ny tohiny amin’ny 26 martsa ho avy izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.