Nisaina teo anivon’ny MICTSL ireo boaderozy tonga avy any Maorisy tratra tamin’ny taona 2011 nokasaina aondrana an-tsokosoko. Hagagana ny an’ny rehetra fa nahitana hazo tsy tena izy niisa 184 nampiarahan’ireo mpanao trafika saika naondrany.
Nanomboka tamin’ny 3o ra tolakandro ny fanisana, teo ambany fanaraha-mason’ny minisitra mirahalahy, minisitry ny vola sy ny tetibola, ny minisitry ny tontolo iainana, ny ekolojia, ny ranomasina ary ny ala ary tsy nifarana raha tsy efa nanakaiky ny misasakalina. Nandritra ny fanisana dia nafindra tao anatina kaontenera hafa izay hanagiazana azy ireto boaderozy ireto, ka niisa 520 ireo tena izy. Nambaran’ireo minisitra fa ireo tena boaderozy ihany no hirosoana amin’ny tolo-bidy afaka enim-bolana raha vita ny fanadihadiana ataon’ny CITES eto amintsika amin’ny fanondranana an-tsokosoko ireo harena voajanahary voarara. Na izany aza, hogejaina eo anivon’ny MICTSL ihany koa ireo hazo tsy andramena 184 ireo ho marika fa tena misy amin’ireo mpanao trafika, tsy vitan’ny manondrana tsy nahazoana alalana ataony fa mbola mamitaka ireo mpividy ihany koa, izay lasa manaratsy endrika ny firenena amin’ireo firenena hafa.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.