Mandainga ve ny praiminisitra sa tsy ampy ny vaovao eo am-pelatanany raha nilaza fa tsy nisy intsony ny boaderozy nivoaka an’i Madagasikara ? Nanamafy mantsy omaly ny minisitry ny tontolo iainana Beboarimisa Ralava fa tena boaderozy avy aty amintsika tokoa ireo tratra tany Hong Kong-Sina ny 7 oktobra lasa teo. Bolabola miisa 7 015 ary mitentina 18,5 miliara ariary ireto tratra ireto.
Araka ny fantatra ihany dia sambo Panameanina no voalaza fa niditra an-tsokosoko teto Madagasikara ary nitatitra ireto hazo sarobidy ireto. Efa mandeha ny fanadihadiana momba ity raharaha ity, hoy ny minisitra Beboarimisa Ralava ka ho hita eo ny tena marina. Mandra-piandry izany aloha dia efa nandefa fangatahana any amin’ny CITES na ny fifanarahana iraisam-pirenena miady amin’ny famarotana ireo biby na zava-maniry tandidomin-doza ho ringana i Madagasikara mba hahafahana maka sy mivarotra ireo hazo ireo indray aorian’ny famoahana tolobidy iraisam-pirenena. Ho hita eo moa na hivoaka tokoa ny marina momba ity raharaha ity na hangina tsimoramora tahaka ny trafikana boaderozy rehetra nisy hatramin’izay ihany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.