Actualités

Boaderozy tany Singapour Bizina vaovaon’ny HVM


  • Zoma 14 Aprily 2017

Mitohy ny raharaha boaderozy tratra tany Singapour tamin’ny 2014. Amin’izao fotoana dia tsy maintsy manohy ny ezaka isika satria araka ny fahafantarako azy dia mba anisan’ny ady lehibe nataon’ny fitondram-panjakana ity ady amin’ny fanondranana ny hazontsika tany

 Singapour ity satria 50 tapitrisa dolara ny vola mety ho azontsika amin’izany, hoy ny minisitry tontolo iainana sy ny haivoary Ndaimananjara Johanita omaly. Minia tsy mahatadidy sa tsy  mba mahatsiaro ny tantara ity minisitra ity ? Ny fanjakana Malagasy ihany no efa nilaza fa ara-dalàna izany tamin’ny andron’i Anthelme Ramparany, ary efa nisafidy ny nangina tamin’ity raharaha ity raha tsy ny fitsarana tany Singapour no nihetsika, ka aiza izany hoe niady amin’ny fanondranana hazo sarobidy izany ? Aiza ny raharaha Bekasy izay nampandosirina noho ny raharaha boaderozy ? Tena nizaha ny marina sy nikendry ny hivoahan’ny mangarahara tokoa ve ny dia nalehan’ny praiminisitra narahina minisitra 5 tany Toamasina ny 10 febroary ? Sa nampangina sy nanarontsarona ny raharaha sambo Lumina nahatrarana 341 bolabola ? Aiza ilay hoe trondro vaventy tsy maintsy hosamborina tsy ho ela nampanantenain’ny praiminisitra Mahafaly Olivier fa efa 2 volana izay no lasa ? Milaza ny hiroso amin’ny fivarotana ireo andramena tany Singapour ny fanjakana araka ny fanambaran’ny minisitra, Ndaimanajara Johanita ihany. Eo am-pijerena ny fomba hanatanterahana izany ny fanjakana mba ho amin’ny tombontsoan’ny Malagasy saingy mbola miandry ny tena didim-pitsarana. Mety efa mandeha indray izany ny kajikajy amin’ny kopaka hisasahan’ny HVM amin’ny fivarotana ireo bolabolana andramena 30 000, izay mitentim-bidy 50 tapitrisa dolara eo ho eo ireo. Mety tsy ho lany amin’ny famahana izao olana ara-bary mianjady amin’ny Malagasy izao akory izany volabe izany raha tena manam-pahendrena ny mpitondra eto, saingy tsy izay no misy fa fanjakan-jiolahy sy ny mpanao afera.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT