Nambaran’ny praiminisitra Ravelonarivo Jean, omaly, taorian’ny fihaonany tamin’ny ambasadaoro vaovaon’i Maorisy miasa eto Madagasikara
, Atoa Goburdun Datakarran fa dia hamidy ary hanaovana tolobidy iraisam-pirenena ireo andramena Malagasy enina kaontenera sarona tatsy amin’ny Nosy Maorisy raha saika haondrana any Shina, tamin’ny 2011 fotoanan’ny tetezamita. Araka ny fanazavan’ny praiminisitra dia efa tomombana tamin’ny 15 septambra 2015 ny pitsopitson’ny taratasy hamerenana ireo andramena ireo amin’i Madagasikara. Tsy hampodiana aty anefa izy ireo fa hijanona any saingy hafindra ao amin’ny faritry ny masoivohon’i Madagasikara ao Maorisy, miandry izay hahazo ny tolobidy hatao.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.