Actualités

Boaderôzy giazana ao Morondava Nitondran’ny «Iraky ny filoha» Srilankey


  • Zoma 15 Janoary 2016

Toy ny vara-datsaka ! Nisy lehilahy iray milaza ho iraka avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika tonga tany Morondava ny alarobia 13 janoary teo.

 

 Nisy teratany vahiny, Srilankey raha ny loharanom-baovao, niaraka taminy. Hizaha maso ireo bolabolana andramena sarona tamin’ny tetezamita ary giazana ao amin’ny foibem-paritry ny tontolo iainana Menabe. Efa voaisa ary mifatotra ireo hazo sarobidy ireo, no tadiavin’ity «iraky ny filoha» ity hovahana fatorana ka haverina hisaina indray. Nandà ny hanatanterahana izany ny tompon’andraikitra sendra azy.

Miverina indray ity resaka boaderôzy ity tato ho ato, ary mifaninana ireo milaza fa iraka avy amin’ny andrimpanjakana. Nalaza ny tany Antalaha farany teo, nisiana manamboninahitra miaramila nitaky vola, sy olona milaza fa mpanolotsaina ao amin’ny Antenimieram-pirenena nifanenjehana tany an-toerana.

Izao indray any Morondava. Ny manaitra tamin’ity tranga iray ity dia fisiana Srilankey, nentina nizaha ireo bolabolana andramena giazana any an-toerana. Hividy ny entana ? Raha eny, nisy tolobidy natao amin’izany ve ? Matoa anefa nandà ny hamahana ny fatoran’ny hazo ny mpiasan’ny foibem-pitondram-paritry ny tontolo iainana Menabe, tsy mahalala ny fisian’io iraka tonga tao Morondava io izy ireo, ary tsy mbola misy tolobidy momba an’izany.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT