Actualités

Boaderozy any Singapour Nibaboka ny fanjakana


  • Zoma 21 Oktobra 2016

Nifoha indray ny raharaha bolabolana andramena 30 000 isa tratra tany Singapour ny volana febroary 2014.

 

 Tena tsy ara-dalàna ny fanondranana, hoy ny minisitry ny tontolo iainana Ndahimananjara Johanita omaly raha tafaresaka tamin’ny mpanao gazety izy. Tsy zazakely ary salama saina tsara Ramatoa minisitra ka heverina fa mahafantatra tsara ny dikan’io fanambarana nataony io sy ny mety ho vokany.

Tsiahivina kely fa ny minisitry ny tontolo iainana teo aloha  Anthèlme Ramparany no efa nitarika delegasionina nankany Singapour ny volana desambra 2014 avy eo nandefa taratasy tany an-toerana ny fiandohan’ny taona 2015 ary nanamafy fa ara-dalàna ireo bolabola 30 000 ireo. Herintaona taty aoriana, ny 10 janoary 2016 dia nandefa taratasy indray ny praiminisitra Jean Ravelonarivo fa tsy ara-dalàna ny taratasin’ireo hazo sarobidy mihitsoka ao Singapour, nanamafy izany koa ny minisitry ny tontolo iainana Beboarimisa Ralava. Tena nahagaga ny hoe ny praiminisitra izao no efa milaza fa tsy ara-dalàna ny fanondranana ireo harem-pirenena kanefa tsy misy na inona na inona nataon’ny fanjakana Malagasy. Nisy moa ny didim-pitsarana tany Singapour nanafaka madiodio ireo mpanafatra ny entana saingy tsy nandrenesam-peo Rtoa minisitra, nialangalana ihany koa ny fanjakana Malagasy tsy nety niditra lalina, tsy nety nijoro vavolombelona. Koa nahoana tampoka eo no miresaka ity raharaha ity indray ny minisitry ny tontolo iainana Malagasy ? Noteren’ny Sampana iraisam-pirenena momba ny fiarovana ireo harena mety ho lany tamingana (CITES) ve sa misy ambadika hafa ? Misy ny feo mivoaka mantsy fa efa madio ny rano nitan’ireo tena tompon’antoka tamin’ny afera maizina izay voalaza fa olona akaiky ny fitondram-panjakana, koa dia io mipoitra io indray ny dosie mba handetehana ireo irakiraka.


Toky R

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT