Taorian’ireo mpiasam-panjakana sy ny ankizy madinika dia hanampy manokana ireo tanora manerana ny Nosy indray ny banky BNI Madagascar, indrindra fa ireo latsaky ny 25 taona.
Ao anatin’ilay tolotra Pack tanora no hanatanterahany izany hahafahan’ireo tanora manokatra kaonty ho azy manokana izay ahitana fihenam-bidy latsaky ny 80 % raha oharina amin’ny mahazatra. Azon’ireo tanora hametrahana tsara ny karamany na ny vola tahiriny na koa ny vola hanohizany ny fianarany io kaonty io, nefa koa azo sintonina amin’ny fotoana rehetra manerana ireo Guichets automatiques de Banque miisa 80 ( GAB) amin’ny alalan’ilay karatra banky Valiha. Tanjon’ny Banky BNI ny mba hahafahan’ireo tanora Malagasy rehetra manana kaonty hoenti-miatrika ny fiainana amin’ny ankapobeny, indrindra fa ny fianarana. Narahina sonia fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ity banky iray ity sy ny Oniversiten’Antananarivo izany omaly.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.