Tafakatra 50 isa ireo masoivohon’ny Banky BNI eto Madagasikara ankehitriny raha 32 monja tamin’ny volana jona taona 2014.
Ilay masoivoho vaovao etsy Ampefiloha vao nosokafana omaly no nameno io isa io raha any Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava ny masoivoho faha-51 no hosokafana, any Fianarantsoa ny faha-52 izay ezahina hahatratra hatrany amin’ny 57 masoivoho mandrapahatongan’ny faran’ny taona. Ho fanakaikezana ny mpanjifa avokoa no anton’izany raha araka ny fanazavan-dRakotovoahangy Jeannie, tompon’andraikitr’ity masoivoho vaovaon’ny banky BNI etsy Ampefiloha ity. Ankoatra izay dia notsindriany fa ahitana ny tolotra rehetra misy eny anivon’ny banky BNI ao amin’izy ireo toy ny fahafahana mampiasa ny Western Union, ny fanokafana kaonty vaovao …Nomarihin’izy ireo moa fa natao afovoan-tanàna mihitsy ity masoivoho faha-50 ity mba hanalana fahasahiranana ny mpanjifa, indrindra hisarihana ireo tsy manana kaonty any amin’ny banky mba hanokatra. Tanjon’ny banky BNI ny handrakotra ny faritra 22 manerana ny Nosy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.