Mitohy hatrany ny ezaky ny banky BNI Madagascar. Hanolo-tanana ireo mpandraharaha tsy ankanavaka eto amintsika indray izy ireo mba hiarovana ireto farany tsy ho matiantoka
. Hasehony amin’ny fomba miavaka izany amin’ny alalan’ny fanohanany amim-pomba ofisialy ilay “Salon de l’Industrie de Madagascar” izay hotanterahina etsy amin’ny Forello Expo Tanjombato ny 24 ka hatramin’ny 27 novambra ho avy izao. “Bankin’ny indostria” no anarana nampitondrain’izy ireo ny hetsika ka hitondrany zava-baovao maro loha. Anisan’izany ny PCCI ( Protection Chande Credoc Import) tetikasa izay efa tokony ho notanterahin’ny banky foibe nanomboka tamin’ny taona 2009 saingy tsy mbola tanteraka mandraka ankehitriny. Ny banky BNI irery ihany no hampihatra azy voalohany eto amintsika. Tombony ho an’ireo mpandraharaha hiara-kiasa amin’ity banky iray ity ny fananany fotoana lava hahafahany manakalo ny vola vahiny raisiny avy amin’ny alalan’ny fanondranany entana mankany ivelany ka azony andrasana amin’ny fahazoan’ny sandam-bola Ariary aina vao hatakalo. Ao koa ny fanafarana entana izay manana tanjona hiaro sy hanampy ny mpandraharaha. Nambaran-dRajaona Heriniaina tompon’andraikitra eo anivon’ny transaction global banking fa hahazo tombony ihany koa ny mpanjifan’ity banky iray ity rehetra amin’ny alalan’ireo karazana tolotra rehetra misy ao aminy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.