Betsaka ireo very hevitra amin’izao ankatoky ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona izao.
Ny tsy fisian-dRavola no tena antony, ka nanosika ny Banky BNI Madagascar hanomana tolotra fampindramam-bola ho an’ny rehetra nanomboka ny 6 desambra ho avy izao. Crédit Fety no anarany, vola azo haverina ao anatin’ny enina ka hatramin’ny 60 volana, miankina amin’ny fahafahan’ny tsirairay sy ny mari-karama raisiny. Ireo olona manana anton’asa ara-dalàna ihany anefa no afaka mandray anjara amin’ity tolotra ity, eny fa na dia ireo eny anivon’ny orinasa tsy miankina aza. Ny 31 janoary vao hifarana ny tolotra. Ho an’ireo mpanjifa tonga hikarakara ny antontan-taratasiny dia hisy ny fihenam-bidy 1 % amin’ny tahan-jana-bola averiny. Mitovy amin’ny mahazatra kosa ny tahan-jana-bola aloa ho an’ireo izay tara io fe-potoana io. Nohamoraina avokoa ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.