Hanampy ireo mpiasam-panjakana manerana ny Nosy ny banky BNI Madagascar.
Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny herinandro ho an’ny mpiasam-panjakana izay homarihina manomboka amin’ity herinandro ity izany no sady hisarihana ireo tsy manana kaonty ao aminy mba hanokatra ihany koa. Hanomboka amin’ity volana septambra ity ny hetsika izay hitohy hatrany ka hisy ny fihenam-bidy hatrany amin’ny 80 % ho an’ireo mpiasam-panjakana tonga manokatra kaonty ao amin’izy ireo manomboka anio. Ho an’ireo mipetraka any amin’ny faritra lavitra andriana dia efa hitan’izy ireo ny vahaolana. Arotsaka amin’ny alalan’ny kaontin’ilay mpiasam-panjakana ao amin’ny banky BNI ny karamany ka ireto farany no mandefa izany amin’ny alalan’ny M Vola avy eo. Hisy moa ny sonia fifanekem-piaraha-miasa hotanterahin’ity banky iray ity miaraka amin’ireo minisitera maro samihafa ato ho ato hahafahana manatontosa izany. Hisy ny loka hozarain’izy ireo amin’ireo mpiasam-panjakana tonga manokatra kaonty ao aminy ankoatra ireo olona mitondra namana 10 ka hatramin’ny 50 isa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.