Actualités

BNI MADAGASCAR Hanampy ny mpanjifany amin’ny fiatrehana ny fety


  • Alarobia 16 Desambra 2015

Mba hahafahan’ny rehetra manatanteraka ny nofinofiny amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona izao dia manome tolotra miavaka ireo mpanjifany ny banky BNI Madagascar.

 


Fampindramam-bola hanaovana fanomezana tsara ho an’ny fianakaviana, ny ankohonana, ny vady, ny olon-tiana izy io… toy ny fividianana fiara ohatra, ny fanaovana trano, ny fividianana ireo karazana kojakoja mifandraika amin’izany…. Nanomboka ny alatsinainy lasa teo  ity tolotra ity, misokatra ho an’ireo olona manana anton’asa ara-dalàna na mpiasam-panjakana izany na mpiasa tsotra. Haharitra hatramin’ny 30 janoary izany  raha ao anatin’ny sivy volana kosa no fe-potoana  hamerenana ny vola mba tsy hiteraka fahasahiranana be loatra ho an’ny isan-tokantrano. Naidina hatrany amin’ny 4 % amin’ny tahan-jana-bola alain’ity banky ity  mahazatra moa ny tahan-jana-bola alainy amin’izany. Nohamoraina ihany koa ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra  hahafahan’ny isam-pianakaviana manao fety sambatra.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT