Tsy mitsahatra mitady izay hananan’ny seha-pihariana fambolena “black eyes” na lojy mainty maso fenitra sy kalitao ara-dalŕna mba ahafahan’ity vokatra mampalaza ny faritr’i Boeny ity hifaninana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny tompon’andraiki-panjakana sy ireo mpisehatra isan-tsokajiny any an-toerana.
Notanterahina tao amin’ny Le Camélia, Village touristique, Mahajanga ny zoma 12 mey 2017 ny atrikasa hankatoavana ny fenitra Malagasy sy ny fanarahan-dalàna ara-teknika amin’ny resaka lojy mainty maso na “Atelier de validation de la norme Malagasy et du règlement technique sur le black eyes”, izay teo ambany fiahian’ny ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana. Ny vondrona Eoropeanina tamin’ny alalan’ny ny FED (Fonds Européen pour le développement) no misahana ny famatsiam-bola ny tetikasa. Hatrizay, hoy ny fanazavan’ny talem-paritry ny DRCC Boeny, Belalahy Jean Berchmans, dia tsy mbola nisy lalàna nifehy ny vokatra black eyes teto Madagasikara nefa be mpanafatra izy io any ivelany. An-kilan’izay, ny mpisehatra azy tsy mahafehy ny fenitra sy kalitao takian’ny tsena iraisam-pirenena, hany ka niteraka fatiantoka tamin’ireo mpandraharaha mpanondrana ary nampitotongana ny vidiny teny amin’ny mpamokatra. Manomboka izao dia horaiketina anatin’ny bokin’ny lalànam-barotra manan-kery eto Madagasikara ny seha-pihariana black eyes ary hamoraina ny haba amin’ny fanondranana, ka samy hahazo tombony na ny mpamboly na ny mpanondrana na ny faritra ivoahany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.