Nanao fanambarana ny avy amin’ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara na ny OJM omaly. Mamaly ny resaka aely milaza fa sakana amin’ny famoahana “carte professionnelle des journalistes”
na karatra maha mpanao gazety matihanina ny Biraon’ny OJM, ary ny filazana fa ataon’ny mpanao politika fitaovana mikendry ny fanesorana ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina amin’ny toerany izy io. Namaly bontana ny Biraon’ny OJM, ka milaza fa tsy manao politika ary tsy miditra amin’ny politika ny biraon’ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara, ka mandà marindrano fa ataon’ny mpanao politika fitaovana. Raha misy porofo mivaingana ananan’ireo miteny izany dia mangataka azy ireo ny Biraon’ny OJM hampiseho izany ho hitan’ny daholobe, hoy valin-kafatra. Ny fanajana ny “Arrêté 24 931/2019 MCC ralatif à la Commission Paritaire au sein d’Ordre des Journalistes de Madagascar » no takian’ny Biraon’ny holafitra amin’ny minisitera misahana ny serasera, raha hiditra amin’ny fizarana ny karatra maha matihanina. Raha toa ka hohitsakitsahina io lalàna io, izay navoakan’ny ekipa fehezin’ny minisitra ankehitriny, dia tsy afaka ny hiray petsapetsa amin’izany ny biraon’ny holafitra mijoro ankehitriny, hoy izy ireo.
Valin-kafatra
Nahitsy ny Biraon’ny OJM, nilaza fa raha ilaina ny mitondra fanazavana anatina adihevitra amin’ny haino aman-jery momba ny fanitsakitsahan’ny minisitera io lalàna io, dia vonona izy ireo. Mangataka kosa mba ho ny minisitry ny serasera sy ny Tale Jeneralin’ny serasera mivantana no hiaraka hiresaka amin’ny Filohan’ny holafitra sy ny mpikambana iray ao amin’ny Birao. Na tsy notononina mivantana aza io, dia toa mamaly an’Atoa Andry Andriantongarivo vadin’ny Minisitry ny serasera nilaza tamin’ny tambajotran-tserasera : « rehefa nantsoin’ny namana AR ny filoha efa lany mandat an’ny OJM Rakotonirina Gérard hanao don-dresaka amin’ny depiote Fetra Rakotondrasoa amin’ny alahady ho avy izao dia nandà ary tsy sahy. Fa nahoana loatra ? Rehefa monologue hamorona lainga izany dia mahay fa rehefa tena adihevitra « contradictoire » dia mifori-drambo ve ? ». Ny Biraon’ny holafitra dia vonona hitondra fanazavana ho an’ireo mangataka izany. Tsy misy zavatra hafenina izahay ary ny fanajana ny lalàna ihany no zavatra tokana takianay amin’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina, hoy ny Biraon’ny OJM. Mafana ity raharaha ity, ary vaky tanteraka ny ady. Tantara mitohy…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.