Samy taitra ireo nahare ny vaovao tao Maroantsetra nitranga ny alatsinainy heriny alina teo. Voalaza fa vaky ny biraon'ny fananan-tany, very ny vola be tao anaty "coffre" ary maro ireo antontan-taratasy na tanin'olona tsy hita sy niparitaka eran'ny trano.
Raha ny fanazavan'ny solombavambahoakan'i Maroantsetra sy ny vaovao azo tamin’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana, dia nisy resaka tsy mazava ity famakiana biraom-panjakana nitranga ity. Ny vaovao azo dia tsy vaky ny varavarana miditra ilay birao fa tahaka ireny nosokafana tamin’ny fanalahidy ireny. Ilay “coffre” tao anaty efitranon'ny tompon'andraikitra ihany koa tsy nisy faritra novakiana fa mbola nosokafana tamin'ny fanalahidiny ara-dalàna ihany koa. Ny tena nilazan'ireto nanome ny vaovao hisian'ny ahiahy dia ny fahaverezan’ireo antontan-taratasina tany izay toa notsongaina manokana, ka ireo ambiny no naparitaka eran'ny trano. Fantatra ihany koa fa betsaka ny resaka ady tany vokatry ny fanovana taratasy ataon'ireo tompon'andraikitra ao amin'ny birao ny fananan-tany ao Maroantsetra ity, ka mahatonga ny fitsarana ady tany tena manempotra ny mpitsara any an-toerana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.