Nitondra ny heviny sy nanolotra vahaolana manoloana ny olana mianjady amin’Antananarivo Renivohitra ny mpanolotsaina
Monisipaly avy amin’ny Komba Toavina Ralambomahay sy Hilda Hasinjo Ravelonahiana. Olona 500 000 no tokony ho zakan’ny kaominina Antananarivo kanefa mahatratra hatrany amin’ny 4 tapitrisa no mifamezivezy andavanandro. Laharam-pahamehan’ny fanjakana ny hanavao an’i Mahamasina hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena, izay mazava ho azy fa handraisana hetsika maro, hisy birao vaovao, foara, baolina kitra,.. Tsy hiresaka sy hisikotra ny famaritana ny fitsijaram-pahefana, fa mbola afaka nanao kianja vaovao teny Ambohimalaza, Itaosy na Mahajanga ny fanjakana mba hisarihana ireo olona ivelan'Antananarivo sy ho fampandrosoana ny faritra hafa rahateo, hoy izy ireo. Ny vahaolana dia ny fanaisorana ny fahatsentsenan’ny olona eto Antananarivo, manaraka ny maodely Iavoloha, izany hoe hafindra ivelan’Antananarivo ireo minisitera. Tokony havelan’ny Prezidansa halalaka Ambohitsorohitra, Hafindra any amin’ny Résidence présidentielle any Mantasoa ny HCC, halefa eny Maibahoaka ny minisiteran’ny serasera,… Ao anatin’ny herintaona ny CUA, dia manaisotra andrim-panjakana 4 farafahakeliny. Raha io 77 tapitrisa euros io hanamboarana ny kianja io, dia azontsika natao ny namorona trano ekolojia fito (7) ivelan'Antananarivo, hoy izy ireo. Ny hevitra hoe Ambohitrimanjaka dia tsy maharitra satria Ambohitrimanjaka na koa hoe Tana Masoandro, dia hanana olana mitovy amin'ny CUA ihany. Ny fanitarana na famindrana ireo andrim-panjakana dia azo atao manerana ny faritanin’Antananarivo ary nahoana moa no tsy Madagasikara manontolo ? Azo atao ny maniry an’Antananarivo ho tahaka an’i Shangaï na New York amin’ny fanavaozana ny tanàna. Akisaka tsikelikely, toy ny tranobe mijoalajoala any Arivonimamo, Moramanga,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.