Actualités

Biraom-panjakana ao amin’ny faritra atsinanana Sady tsy ampy no tsy misy fitaovana informatika


  • Alatsinainy 01 Oktobra 2018

Tsy misy fitaovana informatika na iray aza ireo birao fiasan’ny mpiasam-panjakana ao amin’ny faritra atsinanana. Fantatra io nandritry ny fitsidihan’ny minisitry ny asam-panjakana sy ny fampananan’asa, Holder Ramaholimasy na Pierre Holder, tany an-toerana ny zoma sy sabotsy teo.

 

 

Ny mpiasam-panjakana any amin’ireo rantsana hafa aza, raha ny fampitam-baovao, dia any an-trano no manao ny asany noho ny tsy fahampiana birao. Olana ny eo amin’ny tsy fandoavana ny karama ara-dalàna, ny tsy fanajàna ny mari-karama farany ambany ary ny tsy fanomezana an’ireo fiarovana sosialy. Ireo no tena maro amin’ny fitarainana voaray eto, hoy ny lehiben’ny sampan-draharaha fitsirihana ny asa ao an-toerana, Jean Luc Mora. Ankoatra izay dia betsaka ihany koa ny trangana fandroahana tsy misy antony raha ny fitarainan’ny mpiasa na “licenciement abusif”. Raha ny fenitra tokony ho arahina aloha dia tsy ampy mihitsy ny isan’ny mpitsirika ny asa sy ny  mpanara-maso ny asa. 2 ny mpitsirika ary 3 monja ny mpanara-maso. Lasa mandany andro ny fandraisana fitarainana kanefa ny fitsirihana ny toeram-piasana sy ny fampanajana ny zon’ny mpiasa no tokony himasoana bebe kokoa, hoy hatrany izy. 25% ny asa no tokony hatao any amin’ny birao ary 75% ambiny hatao any amin’ny fanaraha-maso. Lasa ny mifanohitra amin’izay no mitranga. raha  ny ao Toamasina fotsiny, izay renivohitry ny faritra, anefa dia mahatratra 45000 isa ireo mpiasa tsy miankina izay hiantsorohan'ny sampandraharaha fitsirihana ny asa ka tafiakatra hatramin'ny 60 isam-bolana ny fitarainan'ny mpiasa izay raisina an-tanana ao. Nitondra fanampiana informatika ho azy ireo moa ny minisitra ary nampahery sy nampanantena fa tsy maintsy harenina ny tsy fahatomombanana rehetra satria miezaka ireo mpiasa na dia tsy ampy enti-manana aza.

 

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT