Actualités

Big Soma III Naresaka ny fifaninanana sy fampisehoana tany amin’ny torapasik’i Morondava


  • Alatsinainy 21 Desambra 2015

Naresaka tokoa ny torapasik’Anosikely ao Morondava nandray ny andiany fah-3 tamin’ilay hetsika ara-panatanjahantena sy kolontsaina antsoina hoe “Big Soma”.

 Taranja efatra no nifaninanana ho an’ny fanatanjahantena ka voahosotra ho tompondaka tamin’ny beach-volley ny ekipan’ny Finition rehefa nandresy an’ny Proba tamin’ny seta 2-1 tamin’ny famaranana. Nisy ihany koa ny fifaninanana lomano lavitrezaka tamin’ny halavirana 50m anaty ranomasina ka tafavoaka lah-1 tamin’izany i Alex Rasta, fah-2 i Brice ary fah-3 i Zico Rapide. Nisy koa ny fifaninanana mitaingina lakana ka 12 no nandray anjara tamin’ny halavirana nirefy 2km. Lah-1 tamin’io i Mariziky, lah-2 i Dada ary fah-3 i Edouard.

Nanamarika sy nanafana ny hetsika tamin’ny andro farany ny alahady teo ny fampisehoana nataon’ireo mpanakanto malaza niarahana tamin’i  Kaiamba tena izy sy Firmin ary Dah’ Mama. Feno hipoka ny torapasika ary afa-po tanteraka ny mpikarakara. Hampahafantarina tsy ho ela indray ny toerana handray ny andiany fah-4 manaraka.

Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT