Anisan’ny tetikasa hodinihin’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly na ny Bianco ny hananganana fitsarana manokana hiady amin’ny fahalovana eto Madagasikara. Efa tafiditra ao anatin’ny ezaka hotanterahina eo anivon’ity sampandraharaha ity rahateo io tetikasa io.
Mandra-piandry izany anefa dia efa mandeha ihany koa ny angon-kevitra manerana ny faritra eto Madagasikara mba handrafetana ny tetikady manokana hiadiana amin’ny kolikoly. Araka izany dia nisy ny talata teo ny atrikasa nasionaly nokarakaraina tetsy Anosy. Nodinihina tamin’izany ny fandravonana ireo hevitra rehetra voangona nandritra ny atrikasam-paritra. Ka ireo hevitra rehetra tapaka mandritra ity atrikasa nasionaly ity no haravona ary entina hodinihina eny anivon’ny mpitondra isan’ambaratongany mba hananganana drafi-pirenena entina miady amin’ny kolikoly. Amin’ny faran’ny volana janoary taona 2015 raha ny voalazan’Atoa Andriamifidy Jean Louis talen’ny Bianco dia efa tafapetraka ny drafitra rehetra hiadiana amin’ny kolikoly.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.