Nisy ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa nataon’ny Birao Mahaleotena Miady amin’ny Kolikoly (BIANCO) sy ny Transparency International Initiative Madagascar) (TI- IM) omaly talata 10 septambra 2019 tetsy amin’ny IKM Antsahavola.
Efa niara-niasa akaiky hatrany nandritra ny taona maro ny BIANCO sy ny TI-IM amin’ny maha samy mpiantsehatra azy ireo amin'ny ady amin'ny kolikoly eto Madagasikara. Ao anatin’ny fanajana ny anjara andraikitry ny tsirairay sy ny fahaleovantenany no anaovan’izy ireo izany. Mba hahafahana mampivaingana sy mampahomby kokoa ny ady amin’ny kolikoly anefa dia nanapa-kevitra ny hamolavola sy hanatanteraka fifanaraham-piaraha-miasa ny roa tonta, miaraka amin'ny drafi-piaraha-miasa iarahana. Mikendry ny hanazavana ny fitsipika sy ny fomba hananterahana ny asa amin'ny sehatra dimy ity fifanarahana fiaraha-miasa ity, izay votoatin’ny fifanaovan-tsonia. Anisan’izany ny fisorohana ny kolikoly amin'ny alàlan'ny fanabeazana olom-pirenena, ny fanohanana ny asa fanaovan-gazety, fanatsikafonana momba ny kolikoly, ny fanatsarana ny fahombiazan'ny fikarakarana ny fitarainan'ny olom-pirenena mifandraika amin'ny kolikoly, ny fandaminana ireo hetsika momba ny ady amin’ny kolikoly ary ny fampandrosoana ny fikarohana momba ny kolikoly eto Madagasikara. Haharitra roa taona azo havaozina izao fifanarahana fiaraha-miasa vita sonia omaly izao ary samy niaiky ny 2 tonta fa mbola mila ezaka be ny ady amin’ny kolikoly eto amin’ny firenena.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.