Actualités

BIANCO Nandamoka ny tetika fanafoanana azy


  • Alarobia 23 Septambra 2015

Tsy nahitam-bokatra mihitsy ny ady amin’ny fahalovana teto amin’ny firenena hatramin’ny taona 2004, araka ny nambaran’ny tale jeneralin’ny Bianco Andriamifidy Jean Louis

. Lesoka goavana ny fiankinantsika tanteraka tamin’ny famatsiam-bola avy any ivelany tamin’ireo asa notanterahan’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly eto Madagasikara tao anatin’ny 10 taona nijoroany. Nanasarotra ny andraikitra nosahanin’ny Bianco ny fambolena krizy teto amin’ny firenena nanomboka tamin’ny taona 2009. Tapaka niaraka tamin’io fiovam-pitantanana tsy nanaraka ny lamina demokratika io ihany koa mantsy ny famatsiambola avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka vahiny. Tsapa moa ny firongatr’ity fomba mamohehatra manapotika ny firenena ity tao anatin’ny fitondrana tetezamita goragora nanjakan’ny gaboraraka sy ny tsy ara-dalàna rehetra. Efa manana ny paikady vaovao iadiana amin’ny risoriso mifototra amin’ny fanadiovana ireo sehatra 9 marefo toy ny fitsarana, ny fananantany, anefa amin’izao fotoana izao ity rafitra mahaleotena misahana ny ady amin’ny kolikoly ity. Anisan’ny tanjon’ireo mpanongam-panjakana tamin’izany rahateo ny tetika hanafoanana ity rafitra matanjaka iombonana eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena ity, araka ny tsilian-tsofina re ankehitriny.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT