Actualités

Bezaha Tovolahy mpianatra ho pastora, nanambady ramatoa 67 taona


  • Alakamisy 01 Oktobra 2015

Ny fitiavana tsy voafetran’ny taona. Porofon’izany ity nitranga tany Bezaha – Betioky Atsimo ity.

 

 Raha  ny fahita matetika any ny lehilahy 40 na 50 taona mampakatra zaza bodo, dia vehivavy be taona indray eto no mampakatra tovolahy mbola herotrerony. 22 ralehilahy, 67 taona ravehivavy, vita mariazy tao Bezaha, tamin'ny zoma 25 septambra 2015 izy roa.

Any Ambovombe no fiavian-ddralehilahy. Mianatra ho pastora no maha ao Bezaha azy. Tsy nankasitra io fanambadiana io ny fianakaviany raha nandre, nandrara azy koa ny mpampianany satria tsy mety amin’ny Etika kristiana izao zavatra izao. Arakaraka ny nandrarana azy ireo anefa no vao maika nanatanterahany ny fisoratana, zay tsy natao tao Bezaha fa tany an-toeran-kafa. Natao tao an-tranon-dramatoa tao Bezaha kosa ny mariazy fa tsy nanaiky ny hanaovana azy tao am-piangonana ny Pastora sao halain'olona tahaka.

Olona manan-katao ilay ramatoa. Tsy niteraka izy. Nisy fotoana izy niantso ny havany hanome zaza azy mba handova io harenany io, saingy tsy nisy nanome. Ity tovolahy ity angamba no anjarany, hanome azy taranaka.

Jean D.

Ny fitiavana tsy voafetran’ny taona

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT