Telo volana niainana delestazy ny any Bezaha, Betioky Atsimo vokatry ny fahasimban’ireo milina mpamokatra herinaratra, ka mampitaraina ny mponina. Nisy delegasiona notarihin’ny filohan’ny Delegasiona manokan’ny Kaominina Bezaka ao an-toerana nihazo an’i Toliara, tamin’ny 20 janoary
, nihaona tamin’ny Talem-paritry ny Jirama Toliara, nikaro-bahaolana. Nivoitra tamin’izany fa efa an-dalana ny piesy hamelomana ireo milina mpamokatra herinaratra misy fahasimbana hamerenana ny famatsian-jiro ao Bezaha. Mandra-piandry izany dia miaina anaty haizina ny mponina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.