Nisy nandoro ny tanety ao Bevomanga Soaniedanana Ankazobe, PK 66 misy ilay tetikasa fifindra-monina karakarain'ny fikambanana Hafari Malagasy. Ny faran'ny herinandro teo no nitrangan'izany raha araka ny fanazavan'ny mpamorona ny tetikasa Rafanomezantsoa Jean Nirina
. Vokany : tanety maromaro no may niampy trano iray. Na izany aza anefa raha araka ny fanazavany dia tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy. Vokatry ny firaisan-kinan'ireo fokonolona ao an-toerana no nahafahana nifehy ny afo na dia somary mahery vaika ihany aza izany. Amin- dRafanomezantsoa Jean Nirina dia vokatry ny tsy fahatantesan'ireo be fialonana ny tetikasa no nahatonga izao fandorana tanety tao Bevomanga Soaniedanana izao. Mbola betsaka mantsy hoy izy ireo tsy maty voalavo an-kibo amin'io tetikasa fifindra-monina io, paikady iray hahafahana manala ny vahoaka anaty fahantrana. Na izany aza anefa dia nambarany fa mitohy hatrany ny asa ho azy ireo. Efa tapitra nahazo ny anjara taniny avokoa mantsy ireo mpikambana miisa 45.000 raha araka ny nambarany ankoatra ireo tsy namonjy fivoriana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.