Actualités

Betroka Tokantrano iray nisy nanafika, 3 naratra


  • Zoma 16 Oktobra 2015

Olona telo mianaka no naratra ary vola telo alina ariary sy entana madinidinka toy ny radio carte sy ny vilany tao an-dakozia no very. Io no vokatry ny fanafihana tokantrano iray tao amin’ny fokontany Fiadanana, kaominina ambonivohitr’i Betroka, distrikan’i Betroka omaly hariva tokony ho tamin’ny 9 ora alina.

 

 Tsy tao an-trano ny  raim-pianakaviana ka izay no nahatonga  ireo jiolahy  nanararaotra  niditra tao an-trano. Ny hafa indray dia nilaza fa valin-kafatra vokatry ny ady no nahatonga ny fanafihana. Mbola tsaboina eny amin’ny  hopitaly moa  ireo telo mianaka naratra ary ny raharaha kosa  dia efa an-tanan’ny  mpitandro ny  filaminana any an-toerana. Tsy mbola mandry fahalemana  mihitsy  ny  tanànan’ Betroka   hatramin’izay nifandimibiasan’ny  raharahan’ny  tsy  fandriampahalemana miseho any an-toerana  izay.

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT