Namela takaitra any Mampikony ny fiakaran’ny rano, nefa vao miandoha ny rotsak’orana. Tapaka ny lalam-pirenena faha-6, vokatr’ireo « radier »
efatra difotry ny rano, toy ny ao Tanetilava sy Tsangambato. Manano sarotra hatramin’ny fiampitana amin’ny lakana noho ny herin’ny rano. Masiaka ny voay amin’izao fotoana mahamavo ny rano izao. Lehilahy iray, 35 taona, no narapaky ny voay tany amin’ny Fokontany Ambahatra, Kaominina Betaramahamay, distrikan’i Mampikony. Nahavo-tena anefa izy, na izany aza voakaikitra teo amin’ny feny. Tsaboina ao amin’ny hopitalin’i Mampikony izy amin’izao.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.