Actualités

Betanantanana faritra Melaky Ahina hivadika adim-poko ny fampiharana dina


  • Alatsinainy 29 Desambra 2014

Nahafatesana olona ny fampiharana ny dina tao Betanantanana faritra Melaky tato ho aty ka atahoran’ny fokonolona any an-toerana hiafara amina adim-poko ny fampiharana azy. Ny fanjakana mantsy etsy an-kilany , hoy izy ireo, dia mihinana am-bolony foana hatreto

Efa notsipahan’ny fokonolona moa ilay “Dinan’i Melaky tsy mimpoly” nentin’i Foara noho ny fanararaotam-pahefana ataon’ity nitondra azy sy ny fangoronan-karena ataony nefa dia mbola nomen’ny praiministra fahatokisana indray ity lehilahy ity nanomboka ny volana jona 2014 teo ary dia mihetraketraka fatratra taorian’izay, manambanimbany olona ka zary hitarainan’ireto fokonolona ireto. Ny fakan’ny mpiray dina ombin’olona 400 mahery avy tany Antsalova no niandohan’izao disadisa izao, hoy ny fokonolona tao Betanantanana, toerana nanagiazana azy. Nanampatra fahefana ka nanolana vehivavy sy nanao maloto tanaty vilanin’olona ny tarik’i Foara, tamin’ny fakana ireo omby ireo. Nisintaka taminy, noho ny tsy fankasitrahany io fihetsika mifanohitra amin’ny dina io ny lefiny, Bora André, ary nanatona ny fokonolona, nanao fifonana ara-pomban-drazana, araka ny vaovao avy any an-toerana. Nampanantsoin’ny manampahefana ny roa tonta, handaminana ny raharaha kanjo teny an-dàlana ho any i Bora André sy ny namany no nolazaina ho dahalo hanafika ny mpiray dina. Efa nosavain’ny delegen’ny kaominina ny omby nentin-dry zareo tamin’io fa ara-dalàna nefa tsy nanaiky ny ben’ny tanàna fa nisakana azy ihany ary nitifitra. Notohofan’i Foara basy teo amin’ny lohany ary notifiriny ho faty io lefiny io rehefa nianjera tamin’ny tifitra nataon’ny ben’ny tanàna. Nisy tompon’omby efatra koa niaira-notifiriny tamin’io ka matahotra ireo mpanana omby any ankehitriny, noho ny fanararaotan’ny mpiray dina tarihin’i Foara. Efa manomboka ny valifaty any an-toerana noho ity toetra tsy zaka ataon’ny mpomba an’i Foara ity ka izay no atahorana an’ilay ady an-trano, hoy ny fokonolona.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT