Nifarana omaly rehefa naharitra hateloana ny «Salon BTP» nokarakarain’ny sendikan’ny Taotrano sy ny Asa Vaventy. Nandray anjara mavitrika tamin’ny hetsika kosa ny federasiona ivondronan’ireo orinasa madinika sy salantsalany avy amin’io sehatra io. Nisy ny resadresaka nifanaovana tamin’ny Sekretera Jeneralin’ny federasiona PME-BTP, Berthin Andriamihaingo.
Tia Tanindrazana (TT) : Raha miresaka foto-drafitra, inona no azo ambara eto Madagasikara ?
Berthin Andriamihaingo (BA) : Betsaka ny ezaka tokony hatao ary maro ihany koa ny fampandrosoana tsy maintsy tanterahina. Anisan’izany ny sehatry ny lalana sy ny taotrano izay efa tokony hitarina any amin’ny faritra ohatra raha tsy hijery ny zava-misy eto an-drenivohitra fotsiny isika.
TT : Aiza ho aiza ny anjara toeran’ny orinasa madinika sy salantsalany amin’izany ?
BA : Natao anjorom-bala hatramin’izay ireo orinasa madinika sy salantsalany momba ny BTP. Nifofotra sy niady mafy hatrany anefa izahay ka nody ventiny ny rano natsakaina amin’ny alalan’itony hetsika fampahafantarana itony. Endrika iray amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fitondranay ny anjara birikinay satria tsy tokony hadino fa manana ny traikefa sy ny teknisiana avo lenta afaka mifaninana amin’ireny orinasa goavana vahiny ireny ny PME-BTP. Ny zava-misy rahateo dia ireo mpiasa Malagasy ihany no ampiasain’ireo orinasa lehibe mahazo ny tsena. Ny asa izay tanterahana eto anefa dia tokony hahasaro-piaro antsika Malagasy.
TT : Inona no tianao hambara ?
BA : Ilaina ny fifampiresahana sy fifandrindrana mazava amin’ny fitondram-panjakana mahefa. Ny orinasa lehibe no ampiandraiketina ireo asa goavana ary tokony homena sehatra amin’ny tandrify azy ihany koa ireo orinasa madinika sy salantsalany. Tokony ho fantatsika fa olona marobe no ao ambadiky ny PME izay midika fa miteraka sy manome asa betsaka ho an’ny fianakaviana Malagasy. Efa misy moa ny didim-panjakana laharana 8611-2014 izay manasokajy ny PME-BTP manerana an’i Madagasikara izay tokony hampiharina eny anivon’ireny rafitra sy tetikasa maro mijoro ireny toy ny Fid, Agetipa, Analogh, Seimad sy ny maro hafa.
TT : Inona no olana ho an’ny PME-BTP ?
BA : Ny tsy fisian’ny sehatra hanehoany hevitra. Eo amin’ny lafiny fandoavam-bola ohatra dia hetahetan’ny PME-BTP ny hamerana izany ao anatin’ny iray volana mba hahafahany mihodina. Samy manakenda ny orinasa Malagasy mantsy na ny fanefana ireo karazana hetra na ny lalàna mifehy ny tontolon’ny tolotra sy ny tinady. Hisorohana ny kalitaon’ny asa tontosaina sy ny mety fakam-panahy hangalatra ny fijerena izany. Manampy trotraka ireo ny tsy fahampiana ara-pitaovana sy ny tsy fananana ara-bola.
TT : Ahoana ny momba ny findramam-bolan’ny orinasa madinika sy salantsalany any amin’ny banky ?
BA : Tena mila ny fanohanana avy amin’izy ireo ny PME ary zava-dehibe ny fametrahana fifampitokisana eo amin’ny roa tonta. Tsy ny orinasa rehetra akory dia homena fahafaham-po fa tokony hojerena kosa ny fiaraha-miasa azo atao miainga avy amin’ny federasiona sy ireo fikambanana samihafa manerana ny Nosy. Antso rahateo no atao amin’ireo orinasa marobe mba hanatevin-daharana ny federasiona PME-BTP izay miara-miasa amin’ny sendika. Tombony amin’ny fidirana ho mpikambana ireo fanampiana marolafy toy ny fanofanana ohatra.
TT : Fanampim-baovao tianao horesahana ?
BA : Efa misy ny fifampidinihana eo amin’ny federasiona sy ny sampandraharahan’ny hetra momba ny TVA ankehitriny. Voakasik’izany ny fampiasan’ireo mpamatsy entana goavana amin’ny taotrano sy asa vaventy «bon de livraison» tsy ahitana tambin-ketra nefa vola tokony hiditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Hetahetam-ponay ohatra ny hampiharana ny antsoina hoe : «Retenue à la source» ka ho mazava tsara amin’izay ny vola tokony haloan’ny orinasa amin’ny fanjakana amin’ilay 20% sy ny isan-jatony mankany amin’ny orinasa. Tokony hisandrahaka amin’ireo ministera isan-tsokajny ihany koa ny fifampidinihana hijerena ny ezaka sy anjara birikin’ny tsirairay ho fampandrosoana ny firenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.