Actualités

Berija Ravelomanantsoa Miandry ny didim-pitsarana eny Tsiafahy


  • Zoma 16 Janoary 2015

Nohadihadian’ny fitsarana tao amin’ny efitrano faharoa omaly i Berija Ravelomanantsoa. Naharitra ora telo latsaka kely ny famotorana. Tsy nisy ireo porofo amin’ny fanamelohana ity mpianatra dokotera eny amin’ny anjerimanontolo ity ho niketriketrika fanonganam-panjakana, hoy ny

mpisolovava maître Razafinjatovo Willy. Nangataka ny fanafoanana avy hatrany ny fitsarana ny olona arovany i maître Olala saingy nolavin’ireo mpitsara izany. Rehefa tsy nahazo valin-teny mahafapo tamin’io ny mpisolovava dia nametraka fangatahana fahafahana vonjimaika indray. Fandavana ihany koa no setriny. Amin’ny alakamisy 22 janoary 2015 no hivoaka ny didim-pitsarana miaraka amin’ny fangatahana fahalalahana vonjimaika. Naverina avy hatrany eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy moa i Berija taorian’ny fakana am-bavany azy teny Anosy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT