Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy avy hatrany i Berija, mpitarika ny hetsiky ny mpianatra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo taorian’ny fandalovany manoloana ny fampanoavana, teny amin’ny fitsarana Anosy omaly
Any amin’ny fonja fitazonana ireo jiolahy raindahany sy nahavita heloka bevava avy hatrany izany no nametrahana ity mpitarika ny hetsiky ny mpianatra eny Ankatso ity. Nambaran’ny fitsarana fa fikasana hanongam-panjakana no hiampangana azy. Nisy ireo mpianatra tonga teny Anosy omaly nilanja sorabaventy ary nilaza fa tsy tokony havadika resaka politika mihitsy ny fitakian’ny mpianatra. Tsy mazava aminay, hoy izy ireo no antony handefansa an’i Berija any Tsiafahy avy hatrany. Nanamafy koa sy solontenan’ny mpianatra fa tsy hampihemotra ny fitakian’izy ireo izao fanagadrana vonjimaika an’ny namany izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.