Basy Kalachnikov miisa telo nampiasain’ireo dahalo tamin’ireo dimy very tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana no tafaverina amin’ny mpitandro filaminana amin’izao, vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny Kalony sy ny mpitandro filaminana tamin’ny fampiharan’ny fokonolona ny « Dina Be » any amin’ny distrikan’i Betioky Atsimo sy Sakaraha.
Ny faran’ny herinandro teo, dia « Kalach » roa teo am-pelatanan’ny lehiben-dahalo nalaza ratsy tamin’ny fanafihana mitam-piadiana sy fandrobana ary vono olona sy fanolanana amina distrika maromaro any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, izay maty voatifitry ny mpitandro filaminana, no sarona tany amin’ny kaominina Beraketa Sakaraha. Raha ny fampitam-baovaon’ny mpitandro filaminana, dia anisan’ny toerana fanadiovana omby halatra ny ao Beraketa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.