Nivoaka tamin’ny fahanginana ireo Ben’ny tanàna avy any Soavinandriana Itasy, manoloana ny tsy naharaisan’izy ireo ny vola fanampiana “Comité Locale de developpement” ampahany tamin’ny taona 2017-2018.
Vao ny ampahany voalohany no voarain’izy ireo raha araka ny fanazavany ary tsy hita intsony izay tohiny. Betsaka anefa ireo asa tokony hotanterahina eny ifotony raha ny fanazavan’izy ireo ka anisan’ireny ny fananganana foto-drafitrasa mifandraika amin’ny filàn’ny mponina. Hangatahin’izy ireo araka izany ny tokony hijeren’ny Fitondram-panjakana akaiky ity fanampiana omena ny Ben’ny tanàna ity izay miainga teny anivon’ny antenimieram-pirenena ny fanapahana azy ary ny solombavambahoaka no mitsinjara izany. Takian’izy ireo tahaka izany ihany koa ny hisian’ny fitsinjaram-pahefana tena izy mba hifanaraka amin’ny Iem. Tsiahivina moa fa tamin’ny taona 1991 nandritra ny fitondran’Itompokolahy Zafy Albert no nametrahana ny CLD voalohany ho fanampiana ireo kaominina eny anivon’ny distrika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.