Niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny Imerinafovoany ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety Rakotonirina Gérard sy Randrianarisoa Penjy, Ben’ny tanŕnan’ny kaominina Ivato afak’omaly alina tokony ho tamin’ny 8 ora.
Lalan’ny handeha hamonjy fodiana izy roalahy mianaka ireto no izao tra-doza izao. Fiara 4x4 iray miloko volon-davenona no nandona azy ireo izay fantatra fa fiaran’ny sécurité. Avy any Talatamaty ity fiara 4x4 ity raha avy any Ambohibao kosa ilay fiara polo golf miloko mainty nitondra azy roalahy. Noho ny hamafin’ny dona avy amin’ilay fiara 4x4 anefa dia niara-nitodi-doha toy ny ho any Ivato ny fiara roa raha nifanena. Voa mafy tamin’izany ny Ben’ny tanànan’Ivato Randrianarisoa Penjy izay mbola tazonina sy tsaboina ao amin’ny hopitaly HJRA hatramin’ny omaly. Ny ilany an-kavia no fantatra fa tena voa mafy. Efa nody tamin’io alatsinainy alina io kosa ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Ny handriny no maratra raha araka ny fantatra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.