Actualités

Ben’ny tanŕnan’i Talatamaty Miantso ny rehetra hifanome tanana aminy


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2015

Nahazo ben'ny tanŕna hitantana azy indray ireo kaominina manerana ny nosy taorian'ny fifidianana notanterahina ny 31 Jolay lasa teo. Fotoam-pivavahana nentina nisaorana sy nanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ho an'ny kaominina

 


 Talatamaty no nisantarana izany ny sabotsy lasa teo taorian'ny fametrahana samboady nataon'ny lehiben'ny distrika teny Ambohidratrimo. Tao amin'ny FJKM Ambohinambo Fiderana no nanatanterahana izany, niarahana tamin'ny Ben'ny tanàna Rado Razafindratsimba mivady sy ireo vahoaka manerana ny fokontany rehetra. "Fa tsy misy fahefana afa tsy izay avy amin'Andriamanitra....fa izay misy dia voatendrin'Andriamanitra", Romana 13 : 1, io no tenin'Andriamanitra novoaboasana nandritra ny fotoana nentina nanoroana hevitra ny vahoakan'i Talatamaty mba hanaiky sy hiara-kiasa amin'ny mpitondra azy. Mbola nohamafisin'ny Ben'ny tanàna izany nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony fa vonona ny tenany hisokatra sy hiara-kiasa amin'ny rehetra hahafahana mampandroso ny tanàna. Toraka izany koa ireo malala-tanana sy mpandraharaha ho tombontsoan'ny vahoaka iray manontolo.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT