Anisan’ireo ben’ny tanŕna nandray anjara tamin’ilay atrikasa fananganana ny FRDA na ny tetikasa ho fanatsarana sy fijerena ny tena filan’ny tantsaha,
tetsy Nanisana omaly ny ben’ny tanànan’ny kaominin’i Mahareza, Jhonny Rakotoarisoa, izay ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Ny 80%-n’ny Malagasy dia tantsaha avokoa, hoy izy, ary ny andrasanay dia ny fanatanterahana ny fehin-kevitra mivoaka ao anatin’izao atrikasa izao. Tokony hisy vokatra hiantraika amin’ny vahoaka ilay izy raha mandeha an-tsakany sy an-davany. Ny fanatanterahana anefa no tena ilaina, hoy izy. Ny andrandrainay dia ny fiaraha-miasa mivantana amin’ny minisiteran’ny fambolena sy ny fanjakana foibe eo amin’ny resaka fitantanana ny rano mba tsy ho sanatria ho olona iray sy roa no hahazo tombontsoa fa ny vahoaka manontolo. Olana goavana, ihany koa, ho an’ny kaominin’i Mahereza sy manerana an’i Madagasikara ny resaka lalana ary hatramin’izao dia miezaka izahay ho amin’ny fanatsarana izany amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka isan-karazany, hoy ny tenany.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.