Actualités

Ben’ny tanŕnan’i Mahajanga Ny famindram-pahefana tsy vita, ny tranony nisy namaky


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2015

Mihazakazaka ny toe-draharaha ao Mahajanga taorian’ny tsy nahavitan’ny famindram-pahefana teo amin’ny filohan’ny delegasiona manokana Maeva Houssen Portos sy ny Ben’ny tanŕna MAPAR voafidy Andriantomanga Mokhtar Salim tokony ho natao ny zoma 9 okotbra 2015 teo.

 

 Nahemotra ho amin’ny zoma 16 oktobra 2015 indray izy io, noho ny antony «tsy miankina amiko», hoy ny Ben’ny tanàna, noho ny «antony ara-teknika» indray, hoy ny loharanom-baovao hafa.

Ny alin’io zoma 9 oktobra io hifoha ny sabotsy dia nisy namaky ny trano fonenan'ny Ben’ny tanàna vaovao Andriantomanga Mokhtar Salim. Very tamin’izany ny «ordinateur portable» miisa roa, ny findainy, famantaranandro fametaka amin’ny tanana ary kitapo misy antontan-taratasy mahakasika an’i Andriantomanga Mokhtar Salim. Nanao fanambarana tao amin’ny pejy facebook ity farany «mangataka fiaraha-miasa amin’ny vahoaka mba tsy hisalasala hanome vaovao raha vao mahita na mandre mikasika an’ireo zavatra very ireo, fa homena valisoa». Manao fanadihadiana ny mpitandro filaminana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT