Tonga nitsidika ny filoham-pirenena teny Iavoloha sady niarahaba azy nahatratra ny taom-baovao 2016 ireo ben’ny tanŕna avy ao amin’ny faritra Vakinankaratra ny sabotsy lasa teo.
Niresaka asa fampandrosoana ny roa tonta. Nanipika ny filoham-pirenena fa tena manana anjara toerana goavana amin’ny toekaren’i Madagasikara ny faritra Vakinankaratra, indrindra fa eo amin’ny sehatry ny fambolena. Tena ilaina ny fanamboaran-dalana, hoy izy mba hahafahan’ny olona mifamezivezy ary tena ilaina amin’ny famoahana ny vokatra koa izany. Ilaintsika ny fifampatokisana mba hahafahana mandroso, hoy ny filoha Rajaonarimampianina. Fantatra nandritra ny fihaonana ihany koa fa hisy ny lamina apetraka hahafahan’ny ben’ny tanàna mitsidika faritra hafa ankoatra ny kaominina tantanany mba hifanakalozana traikefa sy hamantarana ifotony ny zava-misy marina eto amin’ny firenena. Izay moa ny tatitra ofisialy fa tsy fantatra izay ambadika politika momba ity fihaonana manokana teo amin’ny filoham-pirenena sy ireo ben’ny tanàna avy any amin’ny faritra Vakinankaratra ity. Asa na fifanandrifian-javatra fotsiny ihany fa io sabotsy io ihany koa no tonga tany Antsirabe ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy Ramatoa vadiny izay ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.