Actualités

Ben’ny tanŕna navory teto Antananarivo Voatery hianto-tena amin’ny fiverenana mody


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2015

Nifarana tamin-dromoromo ny famondronana ireo Ben’ny tanŕna niisa 1676 avy amin’ny lafivalon’ny Nosy nokarakarain’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fanapariaham-pahefana teto an-drenivohitra

 

. Ireo olana tamin’ny fampiantranoana sy fanonerana ara-bola ny saran-dalana indray no nisongadina nanoloana ny fampiofanana nomena azy ireo nandritra ny roa andro, ny 16 sy 17 oktobra 2015. Teo amin’ny fampiantranoana aloha dia nisy ireo nahatsiaro voafitaka, indrindra ireo natoby tamin’ny hotely raitra kintana dimy. Nasaina nandoa ny saram-piantranoana sy ny fandaniany ireo Ben’ny tanàna, ka vaky bao nandao ny toerana ny ankamaroany satria voatery niala am-paosy indray. Miovaova arakaraka ny faritra fiavian’ny Ben’ny tanàna ny saram-panonerana ny lany tamin’ny saran-dalana sy fampiantranoana azy ireo teto an-drenivohitra. Ho azy 121 avy any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, ohatra, dia 110.000 Ariary isan’olona no nomena azy ireo omaly tetsy Anosy, rehefa sasa-niandry nanontolo andro. Nanangan-tezitra ireto Ben’ny tanàna ireto, ary nilaza ho tsy afa-po tamin’ny fandraisana an-tanana azy ireo. “Tamin’ny 14 oktobra 2015 izahay no efa niala tany amin’ny Kaominina misy anay, 19 oktobra 2015 izahay vao niala eto Antananarivo, na ny saran-dalana mandroso sy miverina aza tsy vitan’izay 110.000 Ariary, ny sakafo sy ny fiantranoana tsy ao anatiny fa miala am-paosy izahay”, hoy izy ireo.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT