Actualités

Ben’ny tanŕna eran’ny Nosy Angonina eto an-drenivohitra hosasana atidoha


  • Alarobia 26 Novambra 2014

Eto an-drenivohitra avokoa ireo Ben’ny tanŕna avy amin’ny faritra eran’ny Nosy. Nakarina hamonjy ilay kongresin’ny lalana sy ny fitaterana andiany faha-5 tanterahina eny amin’ny foibe fandraisana fivoriana iraisam-pirenena na CCI Ivato, izay hanomboka anio izy ireo

Tsapan’ny mpitondra ankehitriny ny maha zava-dehibe ny lalana, nefa dia nanenjehana mafy an’i Marc Ravalomanana raha nanao ho laharam-pahamehana ny fanamboaran-dalana izy, fony teo amin’ny fitondrana. Nataon’ny mpanohitra ny fitondrany litania, ary zary teny fanafokafokana mihitsy aza tamin’izany ny hoe : «ny lalana angaha azo hanina !». Izao anefa, efa tao anatin’ny tapabolana izay no natao totoafo ny dokambarotra fampahafantarana ity kongresy ity ary nosafidiana ho lohahevitra mihitsy aza moa ny hoe : «Ny lalana sy ny fitaterana, fitaovana mahomby entina miady amin’ny fahantrana». Dia io fa hifandroritana ireo Ben’ny tanàna. Ankilany ny mpikarakara mivantana ny hetsika, izay kandida tsy lany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo, mety efa manomana ny amin’ny 2018 dia maka ny fon’ireto Ben’ny tanàna ireto amin’ny hoe tsy voatery hiandry famatsiam-bola avy any ivelany isika amin’ny fanamboaran-dalana ; andaniny anefa dia tsy hipetra-potsiny ny antoko eo amin’ny fitondrana, manararaotra ny hamaroan’ireto Ben’ny tanàna ireto hanasana atidoha, f’izay tsy miaraka amin’ny fitondrana dia tsy ho vita eo ny lalany ; ho avy rahateo ny fifidianana Ben’ny tanàna. Mialoha an’io ny kongresin’ny antokon’ny fitondrana hatao amin’ny tapaky ny volana desambra ho avy io.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT